Nahemotry ny minisitera ny datim-panadinana bakalorea 2O11-12. Fanapahan-keviny manokana io raha ny voalazan’ny SEMPAMA ary tsy nakŕny hevitra tamin’ireto farany.
Tsy nahemotra kosa anefa ny adina ara-panatanjahantena teto Antananarivo fa dia nitohy omaly. Asa anefa na tsy ampy ny mpampianatra fanatanjahantena tokony hanadina teo Mahamasina omaly na mbola misy mitokona amin’izy ireo fa dia natao in-droa ny adina. Ny sasany tamin’ny mpianatra dia ny lalao iombonana toy ny kitra na baskety fotsiny no vita dia nalefa nody fa amin’ny heriny indray no averina hanao ny hazakazaka. Dia lasa ny eritreritra hoe : nahoana raha nahemotra koa ny datin’ny adina ara-panatanjahantena dia narindra tsara kokoa ny fanadinana fa tsy kitoatoa toy izao ? Mba nojerena ve sa tsia ny fotoana ho lanin’ny mpianatra izay mbola hiverina indray afaka herinandro noho ny kitoatoa sy ny peta-toko ataon’ny tompon’andraikitra ? Ny famerenan-desona anefa izao efa mafotaka.
Rehefa nahemotra ihany ny fanadinana bakalôrea, inona no antony anaovana tery vay manta ny adina ara-panatanjahantena toy izao ? Dia ahoana koa izany ireny adina ara-panatanjahantena BEPC efa vita ireny nefa ny daty navoakan’ny ministera dia 12 febroary ka hatramin’ny 6 jolay ny fisoratana anarana, izany hoe mbola misy mpiadina vaovao afaka manampy an’ireo efa nahazo taratasy fiantsoana izany ? Sao dia mba ho diplaoma bôjo àry no hiafaran’izy ity ?
D.Z
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.