Actualités

Bacc 2011 - Lycée Pôle Tolagnaro Tsy nanana laza adina ny sokajy C ?


  • Alarobia 17 Aogositra 2011

Resabe ao an-drenivohitr’Anôsy hatramin’izao ny tsy fahatongavan’ny laza adina taranja siantifika ho an’ireo mpiadina sokajy C bakalôrea, tao amin’ny foibem-panadinana lycée Pôle.

 Ny taranja matematika sy fizika ary zava-boaary no voalaza fa banga. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tamin’ny fotoana nizarana ny laza adina no tsikaritra fa tsy ao ny an-dry zareo sokajy C fa ny an’ny sokajy D sy A ihany no tonga, ka ny laza adina ho an’ny sokajy D ihany no nomena ny sokajy C. Niteraka savorovoro sy fahasorenana tamin’ireo kandida ity tranga ity ary maro izy ireo no diso fananatenana amin’ny tandrevaka toy izao. Mitaky ny handraisana fepetra amin’izay tomponandraikitra nahatonga an’izany ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nanan-janaka mpiadina sokajy C.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT