Actualités

Baba Rakotoarisoa Nanatitra fako tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely


  • Zoma 09 Desambra 2022

Naka fako teo amin'ny daban-jaoridira teo Ambodifilao ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Baba Rakotoarisoa omaly,

natao tao anaty garaba ary notarihiny nihazo ny Lapan'ny tanàna Analakely toeram-piasan'ny Ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Nitaky ny Ben'ny tanàna, ary nampahatsiahy ny propagandin'Atoa Naina Andriantsitohaina 3 taona lasa hoe: "Raha tsy voaraoka ny fako, tongava aty amiko, ny ben'ny Tanàna no tompon'andraikitra", eo anatrehan’ny fako sy loto misavovona eto an-drenivohitra. Naneho fa tsy tonga hamendrofendro na hila vaniny fa hanontany ilay fampanantenana sy tamberin'andraikitra. Somary nisy ny fifandirana teo aminy sy lehiben'ny polisy niambina ny vavahady izay naneho fa tokony mangataka fihaonana na "audience" amin'ny ben'ny tanàna i Baba Rakotoarisoa ary tsy tokony hanao sinema. Nambarany kosa fa ny fako tsy tokony haka an'izany, androany mety iray sobika fa rahampitso mety ho iray borety ary rahafak’ampitso iray kamiao. Naneho fa tsy hila vaniny amin’ny polisy fa kosa tonga am-panetren-tena hoe: mendrika an’izao ve Antananarivo amin’ny fako sy loto misavovona kanefa dia mitovy loko politika ny ben’ny tanàna sy ny Filoham-pirenena samy volomboasary TGV-MAPAR-IRD? Nasaina najanona ny fako, nangatahana ny hivoahan’ny ben’ny tanàna, saingy namaly ny andaniny fa tsy mivoaka eo izy raha izao fihetsiky ny ankilany izao. Navoakan’i Baba Rakotoarisoa niaraha-nihaino moa ilay tenin’ny ben’ny tanàna momba ny fako. C Rehefa avy nifampiresaka tamin'ny mpitandro filaminana teo dia voaray ihany izy ka nambara taminy fa tsy ampy ny vola handraofana fako satria tsy tonga ny “Redevances pour les Ordures ménagères” na ny hetra ampidirin’ny fako avy any an-tokantrano. Hafa sy tsy dia fahita saingy misy lanjany lehibe iny fihetsika nataon’I Baba Rakotoarisoa iny ka asa izay ho fandraisan’andraikitry ny fiadidian’ny kaominina sy ny orinasa mpandraoka fako izay eo ambany fiahiany
? Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT