Trangam-piarahamonina mamohehatra nateti-pitranga tato ho ato ny fanolanana zaza tsy ampy taona.
Tany Toliara ny maraimben’ny alatsinainy teo, dia tovovavy 16 taona avy namonjy alim-pandihizana (boite de nuit) no voalaza fa naolana lehilahy 20 taona, nanoloana ny kianja «Marimar» amoron-driaka. Araka ny fanazavana, rehefa handeha hamonjy fodiana ilay tovovavy no narahin’ilay bandy avy ao afara ary notereny hiray ara-nofo taminy. Tsy nanaiky ilay tovovavy efa mamomamo fa nanohitra, ka nodarohan’ilay lehilahy sady nofinganiny hitrosona tamin’ny tany, dia teo izy no nanatanteraka ny filan-dratsiny. Loharanom-baovao hafa mifanohitra amin’ny voalaza etsy ambony no nilaza fa mpivarotena ilay tovovavy, ary fomba fiadin’ny vehivavy tsy ampy taona ao Toliara ny mitily lehilahy ho rembiny rehefa maina ny tsena. Mbola io loharanom-baovao io hatrany no nahafantarana fa mpisipa izy roa tany aloha, dia nifakahita indray tao amin’ity alim-pandihizana ity, dia namerina ny tantara taloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.