Actualités

Avaratetezana Ampitatafika Mitohy ny fandrodanana trano, fianakaviana maro no traboina


  • Talata 30 Jolay 2013

Nitohy omaly indray ny fandravana trano ao Avaratetezana Ampitatafika, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ka tokantrano am-polony no lasibatra, misy fianakaviana 100 eo.

Lasan’ny Sinoa ny tany ao andamosin’ny tany nonenan’ireto fianakaviana ireto, ary nahazoany ny titra mazava. Voalaza kosa fa tanim-panjakana no nonenan’ireto fianakaviana ireto saingy voakasika koa. Natrehina vadintany ny fandravana ny trano. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny HAFARI Malagasy notarihin’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina io omaly io. Nilaza ity farany fa tokony hojeren’ny fitondram-panjakana ny zava-misy tahaka izao. Mirongatra be, hoy izy ny ady tany eto amintsika tato ho ato ka anisan’ny nahitana matetika izany ny kaominina Ampitatafika.

Na izany aza anefa, tsy mampianatra ny vahoaka handa ny didim-pitsarana ny fikambanana fa miantso ny hisian’ny ara-dalàna sy ny ara-drariny, hoy ny HAFARI. Tsara ny manamarika fa efa nandeha fitsarana an-tampony ity raharaha ity. Mbola nandefa taratasy fanindroany eny anivon’ireo ambaratongam-pahefana maro samihafa ihany ireo mponina ao an-toerana mba hahafahan’izy ireo miady ny zony. Ho an’ny fikambanana HAFARI Malagasy manokana moa dia hisy ny hetsika hataon’izy ireo ny sabotsy 03 Aogistra ho avy izao ho fitakiana izay rariny sy hitsiny ho tombontsoam-bahoaka izay. Tsy hitaona vahoaka hidina an-dalambe izahay, araka ny fanazavan’ny filohany fa haneho sy hampahafantatra kosa ny fahoriam-bahoaka amin’ny alalan’ny loabary an-dasy, arahin’ny fijoroana vavolombelona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT