Avaratetezana Ampitatafika

> Niverina amin’ny tranony ireo Fianakaviana traboina


  • Talata 06 Aogositra 2013

Toy ireny afaka tamin’ny gadra ireny fahitana ny hafalian’ireo fianakaviana roapolo saika horavana trano teny Avaratetezana Ampitatafika, omaly.

Nofefen’ny Sinoa, voalaza fa nividy ny tany mifanila amin’ny toerana nisy ny trano fonenan’izy ireo, ny tany sy ny trano rehetra. Teny amoron-drano, eny nisy teny amin’ny toerana fanariam-pako aza, ny sasany no nitoby fa tsy nahita hisitrihana, rehefa nahazo fampitandremana sy fandroahana hiala amin’ny tany. Nilaza anefa ireto mponina ireto fa manana taratasy ara-dalàna ara-panjakana izakany ny tany, izay efa nitoerany hatramin’ny taona 1985. Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana, omaly tolakandro, ny filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Alain Ramaroson sy solotena avy amin’ny ministeran’ny mponina, nihaino ny fitarain’ireo fianakaviana maro sy nanamarina ny taratasy eo ampelan-tananan’izy ireo. Nilaza i Alain Ramaroson fa “tsy azo ekena velively raha ny vahiny indray no hanjakazaka amin’ny tanin’ny Gasy”. Taorian’izay dia noravaina ny fefy hazo tsy nahafahan’ireto fianakaviana ireto niditra tamin’ny tany sy ny tranon’izy ireo. Vaky nandositra ireo mpiambina telo lahy sy ny alika roa nanampy azy ireo, nokaraman’ilay Sinoa hiandrina ilay toerana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT