Actualités

Avaradoha Efa eo am-baravaran’ny zandary ny fanafihana


  • Talata 08 Aprily 2014

Saika isan-kerinandro dia itrangana asan-jiolahy hatrany eny Avaradoha sy Betongolo.

 Ny sabotsy lasa teo, tamin’ny fito ora hariva no tafiditra tao amin’ny tokantrano iray eny Avaradoha tsy lavitry ny tobin’ny zandary ireo jiolahy miisa roa miaraka amin’ny fitaovam-piadiana, ka niafina tao ambany tohatra. Rehefa tapitra natory avokoa ny tompon-trano 5 mianaka niaraka tamin’ny mpanampy iray tokony ho tamin’ny sivy ora alina dia nivoaka moramora ireo jiolahy ary nanangona izay rehetra zakan’izy ireo tao amin’ny efitra ambany rihana tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny sy lakozia. Adiny roa no nanangonan’izy ireo ny entana rehetra izay tsy ren’ny tompon-trano mihitsy. Efa tamin’ny 11 ora alina vao taitra raha naheno feona fiara miainga teo am-bavahady ireo tompon-trano.

Efa nisokatra koa ny vavahady ka raha nidina saika hanidy izany ity raim-pianakaviana no nahita fa foana ny entana rehetra toy ny fahitalavitra, radio mini chaine, lecteur, home cinema, seza, lovia sy ny fitaovana maro tao an-dakozia sy haingon-trano maro samihafa. Niezaka niantso vonjy ny tompon-trano saingy efa nadio ny lalan’ireo olon-dratsy. Anisan’ny mampitaraina ny mponina eny an-toerana ny fisian’ny vaky trano matetika, nefa tsy mbola nisy tratra ireo olon-dratsy na dia akaiky zandary aza eny Betongolo. Nanamafy ny filohan’ny fokontany eny an-toerana fa hamafisina ny andrimasom-pokonolona,

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT