Augustin Andriamananoro

> Fotoana hijerena ny filaminana izao


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2013

Fotoana efa tokony hijerena ny filaminana izao, hoy i Augustin Andriamananoro, Tale jeneralin’ny OMERT sady mpanolotsain’ny filohan’ny tetezamita raha naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena.

Ny andrasana amintsika, hoy izy dia ny fitadiavana vahaolana mahomby sy maharitra mba hahatongavana amin’ny fifidianana tena izy saingy mbola misy ihany ny fifandrafiana sy ny fifanaratsiana. Ny fihavanana anefa no mila atao zava-dehibe ary atao ambony noho ny lalàmpanorenana, hoy ihany i Augustin Andriamananoro. Matoa mantsy tonga amin’izao fanapahan-kevitra izao ny CES dia nisy dia nisy tokoa ny rangory fototry ny afo ka lozan’izay niavian’ny fanafintohinana. Aminy dia ny fiverenana amin’ny diniky ny samy Malagasy ihany no mila hotanterahina fa tsy hanao tery vay manta hampiasa ny fahefana avy any ivelany hanaovana tsinontsinona ny zon’ny mpiara-belona. Tafiditra ao anatin’izany ny vahaolana natolotry ny FFKM, hoy ihany i Augustin Andriamananoro. Anisan’ny vahaolana tena izy ny famerenana amin’ny vahoaka 20 tapitrisa ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT