Actualités

Auguste Marius Arnaud “Tsy mahatanty resy ny sasany”


  • Alarobia 04 Aprily 2012

Misy ny fikasana hametraka sendika iray hafa eo anivon’ny sehatry ny fitsarana.

 Ho an’ny filohan’ny SMM Auguste Marius Arnaud dia efa herinandro mahery no nahafantarany fiketrahana azy io ary ambarany fa fantany koa ireo mikononkonona azy. Misy ireo mpitsara efa misotro ronono, mpitsara efa zokiny mbola am-perinasa ary koa mpanolotsain’ny minisitra, hoy izy. “Ireo no nitety orinasan-tserasera nanatitra ny fanambarana momba ny fananganana io sendika faharoa eo anivon’ny mpitsara io”. Misy ifandraisany amin’ny fikasana hanilihana azy izao toe-javatra izao raha ny nambarany izay nanomboka tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny SMM farany teo. “Tsy mahatanty resy ny sasany. Zo fototra anefa ny fananganana sendika ka tsy sakana amin’izany ny tenako.

Na misy SMM be dia be aza eo tsy olana izany ary tsy avy amiko koa ny fikasana hamakivaky ny mpitsara izany”, hoy i Auguste Marius Arnaud. Eo anatrehan’ny sakantsakana atao aminy sy ny mbola fisian’ny baiko midina mahazo ny mpitsara dia nohamafisiny indray fa “tsy hanaiky lembenana intsony ny mpitsara”. Nasiany resaka tamin’izany ny fakana dosie nefa tsy naverina hatramin’izao teo anivon’ny fitsarana ao Fianarantsoa. Fitarainana nataon’ireo mpitsara tany an-toerana taminy nandritra ny fidinany tany ny faran’ny herinandro lasa teo izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT