Actualités

Auguste Arnaud-Razanamahasoa Ady tsy vita


  • Alarobia 21 Martsa 2012

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Auguste Arnaud Marius Wilfrid sy ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine.

 Mifampiampanga ny andaniny sy ny ankilany, ary efa manambana hanao ampamoaka amin’ny tsy fanarahan-dalàna miainga amin’ny dosie (maro) eo am-pelatanany ny filohan’ny SMM, izay vao nametrahan’ireo mpiray efidraharaha aminy fitokisana hitantana ny sendika mandritra ny roa taona manaraka indray, taorian’ny fifidianana natao ny zoma 16 martsa teo.

Karazan’ny teny fihantsiana ihany aza no nataon’i Arnaud Auguste nilaza fa tsy tokony ho resaka am-bava fotsiny, fa tokony hampanao famotorana amin’izay anankinana azy ny minisitry ny fitsarana fa vonona amin’izany ny tenany. Novakian’ny filohan’ny SMM bantsilana fa anisan’ny sakana tsy ahazoana fankatoavana iraisam-pirenena ny minisitry ny fitsarana, araka ny filazan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tokony hahatsapa tena amin’izay ramatoa minisitra, hoy izy.

Rtoa Razanamahasoa Christine tetsy ankilany, somary nalefaka fiteny ihany, nilaza fa tsy dia tsara loatra ny miteny anatrehan’ny olona toy ireny, saingy nasiany tsindrom-paingotra fa “tsy dia misy fahamatorana”. Sarin-teny no nanohizany ny filazany fa “ny teny toy ny atody ka rehefa foy manan’elatra”. Tsy miteny aza ny tena, amoronana, hoy izy, ka aleo mangina mba tsy hanome vahana ny fanendrikendrehana sy fanosoram-potaka. Ady tsy vita, araka izany, ity an’ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine sy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara, Arnaud Auguste ity. Don-tandroka aloha izao no mandeha !

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT