Actualités

Atsimondrova-Ambatondrazaka Nisy nametraka baomba


  • Talata 01 Aprily 2014

Olona sendra nandalo no nahatsikaritra voalohany fa misy zavatra mifono hafahafa ao anaty trano zozoro manamorona ny arabe misy ny fanariam-pako ao amin’ny Fokontany Atsimondrova Ambatondrazaka, omaly.

 Hatairana ny an’ny rehetra raha nahita ilay zavatra tao anaty fonosana toy ny tavoahangy misy tsentsina sy lahiny ary nampiarahana tamin’ny bala vitsivitsy. Niantso ny tompon’andraikitra tao amin’ny Fokontany io olona io, ka ry zareo avy eo no nandray andraikitra nanala ilay baomba ka nitondra izany tany amin’ny mpitandro ny filaminana. Rehefa tonga tao amin’ny mpitandro ny filaminana ilay izy dia nanamarina ny tao fa tena karazana asa fampihorohoroana tiana handemena ny saim-bahoaka io.

Karazana “cocktail Molotov” io, hoy ny polisy saingy ny nampiavaka kely azy dia ny fisian’ilay bala, izay rehefa mipoaka dia toy ireny tsipoapoaka lehibe ireny. Efa an-dalam-pikarohana izay mety nanao izao asa fampihorohoana ny mponina any Ambatondrazaka izao ankehitriny ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT