Lehilahy iray 24 taona no nosamborin’ny Polisy avy ao Tanjombato ny 10 nnovambra lasa teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva rehefa nahatrarana zava-mahadomelina.
Vaovao avy tamina olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra azy. Heroine no voalaza fa hampiasain’ity lehilahy ity. Nidina avy hatrany nanamarina ny vaovao ny mpitandro ny filaminana ka rehefa natao ny fisavana ny tranon’ity lehilahy ity dia nahatrarana Heroïne tamin’ny fonosana 18 tao aminy ary fonosana rongony iray sy tavoahangina alcool ary seringue. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy eny an-toerana ity farany nanaovana fanadihadiana. Omaly izy no natolotra ny fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.