Actualités

Atrikasa momba ny Pylone Fahombiazana tanteraka


  • Alakamisy 09 Jona 2016

Fahombiazana tanteraka no azon’ny fikambanana HAFARI Malagasy notarihin’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina tamin’ilay atrikasa nokarakarain’izy ireo omaly momba ny fiantraikan’ny pylone amin’ny fahasalamam-bahoaka niarahany tamin’ny mpianatra serasera eny amin’ny anjerimanontolo.

 

Tonga marobe nanohana ny antso avokoa ireo olona  lasibatra sy ireo tompon’andraiki-panjakana tamina tanàna maro nisy fikomiana vokatry ny pylone toy ny tanànan’Ivato. Toraka izany koa ny mpianatra manao fikarohana ny mpisolovava, ny solontenan’ireo  orinasam-pifandraisana efatra misy eto amintsika notronin’ny dokotera Andry Rakotomalala izay manampahaizana manokana nanao fikarohana momba ny pylone tany am-pitandranomasina. Nambaran’ny lehiben’ny distrikan’Antananarivo fahefatra fa tena mendri-piderana tokoa ny fihetsika nasehon’ny HAFARI noho ny havononan’izy ireo hamaha ny olam-piarahamonina eto amintsika ateraky ny fampiasana pylone.  Ho azy manokana, araka ny traikefa nananany sy hitany fony izy lehiben’ny distrika tany Mahabo nanomboka ny taona 2010, dia tsy mbola nisy maty na narary ireo olona monina nanodidina ny pylone tany an-toerana. Mbola nohazavain’ny dokotera Andry Rakotomalala ihany koa fa na ny OMS aza dia tsy sahy nilaza fa mankarary na mahavoan’ny cancer ny pylone hatreto. Notsindriany kosa anefa fa misy fiantraikany amin’ny fahasalamana na tiana na tsy tiana ny onde aterak’izany  ka tsy azo atao ny manorina sekoly na crèche na hopitaly 100 metatra manodidina ireny pylone ireny. Nafotaka ny adihevitra tamin’ny ankapobeny saingy ny nahafinaritra dia vita soa aman-tsara ilay izy ary hatolotry ny fikambanana HAFARI Malagasy ny fitondram-panjakana ny fehin-kevitra nivoaka tao, adidy horaisin’izy ireo an-tanana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT