Actualités

Atrikasa momba ny pylone Efa betsaka ireo namaly ny antson’ny HAFARI Malagasy


  • Sabotsy 04 Jona 2016

Tsy hihemotra fa tsy maintsy hanatontosa ilay atrikasa goavana hotanterahiny momba ny pylone sy ny fiantraikany amin’ny

 fahasalaman’ny mponina hotanterahina etsy amin’ny Mon gouter Andrefanambohijanahary ny alarobia 8 jona ho avy izao ny fikambanana HAFARI Malagasy, taorian’ny fanambarana nataon’ny Minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra fa tsy mankarary ity  fitaovam-pifandraisana iray ity. Efa betsaka ireo namaly ny antsonay toy ireo mpandraharaha ara-toekarena, ny fikambanana maro isan-tsokajiny izay mbola hiantsoanay ny hafa toy ny mpianatra  ihany koa, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ilaina ny fampitam-baovao mazava  hatao amin’ny mponina mikasika io pylone io mba tsy hielezan’ny tsaho maro ka  hitarika mankany amin’ny fikomiana sy ny fikorontanana.  Vao mainka hahatsara  zavatra ny fisian’ireo teknisianina sy  manampahaizana maro samihafa ho avy handray anjara amin’ny atrikasa, hoy izy. Nomarihiny manokana moa fa efa eo am-panomanana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT