Atoa Rajaonarison Pierre

> “Mila manao loha-joro ny Malagasy fa nanota loatra”


  • Sabotsy 07 Septambra 2013

Naneho ny heviny manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny, ny zava-misy ao Analanjirofo izay tany niaviany, Atoa Rajaonarison Pierre filohan’ny Fikambanan’ny Taranaka Ampanjaka Betsimisaraka (FITAMBE).

Amin’ity taranaky ny Ampanjaka Betsimisaraka Zanamalata ity dia gaboraraka sy natao tantely afa-drakotra loatra ny harem-pirenena Andramena tao Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Tsy vitan’ny harem-pirenena anefa izy ireo fa tena hazo masina sy fanaja ho an’ny Betsimisaraka sy ho an’ny Malagasy mihitsy. Aminy dia nety ny nanoloana ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo farany teo. Nomarihan’Atoa Rajaonarison Pierre filohan’ny FITAMBE, fa ao amin’ny helodranon’i Antongila Maroantsetra no misy ny teboka avaratra atsinanana fanaovana ny loha-joro, izany hoe : ny “zoro firarazana” nefa ao amin’io teboka io no misy ny trafikan’andramena koa na inona fitadiavam-bahaolana atao eto amin’ny firenena dia tsy hivaha izany raha tsy miaiky sy mifona ary manao loha-joro ireo olona rehetra nandray anjara an-kolaka na mivantana tamin’ny fanapahana sy fanondranana andramena. Nambaran’Atoa Rajaonarison Pierre hatrany fa be loatra ny ota fady vitantsika Malagasy ka ny fifonana amin’ny Zagnahary sy fifamelan-keloka amin’ny samy Malagasy no tsy maintsy atao eto aloha, fa tsy hahavaha olana ny zava-misy ataontsika izao io. Feno 300 taona tamin’ny taona lasa ny foko Betsimisaraka, betsaka anefa ireo milaza ho Betsimisaraka no tsy mahalala ny tantarany akory. Anisan’ny hetsika hataon’ny FITAMBE atsy ho atsy ho fampahalala izany ho an’ny rehetra indrindra ny tanora hampitanay ny tantara.

 Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT