Atoa Mahavimbina Alain

> “Ifandimbiasana ny toerana”


  • Zoma 09 Aogositra 2013

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany, omaly, ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Mahavimbina Alain.

Nandritra izany no nilazany fa “toerana ifandimbiasana ny asam-panjakana fa tsy toerana natao haharitra akory; koa tsy tokony hampikorontana sy hanaovana teny betsaka ny fanovana ataon’ny fanjakana amin’ny olom-boatendriny”. Karazany efa mampionon-tena fa dia ho isan’ireo lehiben’ny Faritra hoesorina amin’ny toerany Atoa Mahavimbina Alain. Nambarany fa “ny tanjona dia ny fivoahana haingana amin’ny krizy, ary ny famitana ny fifidianana ao anatin’ny demokrasia”. Ho fanomanana ny fifidianana, izay asa miandry ireo ekipan’ny lehiben’ny faritra “vaovao”, dia ny nanome toky ekipan’ny filoham-pokontany ao anatin’ny Faritra Atsinanana Atoa Mahavimbina Alain, fa ho avy ny fandoavana ny tambinkaraman’izy ireo tsy mbola voaloa tamin’ity taona ity. Vola mitentina 109 tapitrisa Ariary no hatokana amin’izany na tsy mbola voalaza aza ny fotoana hizarana izany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT