Atoa Fulgence

> “Tena filaminana ve no hateraky ny fifidianana ?”


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Maro amin’ireo mpanaraka vaovao politika no miezaka maneho hevitra taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianan’ny tetezamita sy ny daty navoakan’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita farany teo.

Raha tsy niteny fa nijery sy nanara-maso ny zava-misy Atoa Fulgence filohan’ny fikambanan’ny Tanora maha honon-draha sy mpandrindra ny federalista Toamasina, dia mametra-panontaniana izy raha toa ka ka tena filaminana no hateraky ny fifidianana hovitaina amin’ny volana oktobra sy volana desambra io. Raha izao no izy tsy maintsy ho vita ny fifidianana, hoy Atoa Fulgence, hanana filoham-pirenena isika ny taona vaovao 2014. Hilamina ve anefa izay ho filoha eo ? Hipetraka mora ve ireo ankolafy sy vondrona tsy nahazo nilatsaka ireo ? Tsara ho fantatry ny olom-pirenena, hoy Atoa Fulgence fa izay manana ny maro an’isa amin’ny parlemantera no mitantana ny governemanta tena mitondra ny baolina ara-panjakana eto. Aleo ny vahoaka  no hitsara ireo kandida milaza ho tian’ny vahoaka sy misandoka ny andraikitra ireo, hoy hatrany Atoa Fulgence namarana ny teniny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT