Actualités

Atoa Babity Laurent Nomem-boninahitra tao amin’ny dojo Soavita


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Omaly no nalevina tao amin’ny fasam-bahiny Toamasina, ny nofo mangatsiakan’Atoa Babity Laurent, rehefa avy nomem-boninahitra tao amin’ny Dojo Soavita noho ny maha-mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy azy sy amin’ny fananany ny mari-boninahitra Commandeur de l’ordre National ihany koa, avy eo nentina tao amin’ny EKAR Fo Masin’i Jesoa Tanambao V.

 Samy tonga nanome voninahitra azy avokoa ireo fikambanana samihafa nahitana ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, teo koa ny fikambanana politika tahaka ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina. Nidodododo ihany koa ny Kaominina, ny Faritra Atsinanana ary ireo namana aman-tsakaiza sy ireo nahita soa tamin’ny asa vitany ary ireo taizany tamin’ny naha mpanabe azy. Teraka tao Anjahamarina Mangabe Toamasina II ny taona 1943 Atoa Babity Laurent. Tao Rantabe Maroantsetra no niasany voalohany taorian’ny fahazoany ny diploma tamin’ny filozofia teto Antananarivo.

Ny taona 1966-1972 izy no tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra hatrany, taorian’izay no nifindrany tao Vavatenina hatramin’ny taona 1976, ary taorian’izay dia niasa teo anivon’ny CEG Radama I hatramin’ny taona 1998, izay nifindrany ho mpiasa birao noho ny aretina nahazo azy naharitra, ary nisotro ronono ny taona 2003 teo. Boky maro no nosoratany, anisan’izany ny Ravin-dingosa, Fihavanana sy fiarahamonina ary famokarana, ohabolana Betsimisaraka…Fangalam-biavy Betsimisaraka. Voalaza ihany koa fa fialamboly anisan’ny tiany ny manoratra sy ny mamboly, izay rahateo no naha filohan’ny Havatsa UPEM azy sampana Toamasina, sy naha-mpikambana azy teo anivon’ny PPRR sy ireo ONG mpikarakara fambolena amin’ny tontolo ambanivohitra maro.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT