«Niala krizy dia niditra krizy ihany na dia noheverina aza fa ny hialana amin’izany no nanaovana ny fifidianana», hoy Atoa Andriamampianina maneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena. Eo ny krizy ara-toekarena izay mila hialana haingana saingy miditra ny krizy ara-drafitra indray izao ny firenena.
Nampanantena ny filoham-pirenena tamin’ny fampielezan-kevitra fa hanao dingana goavana amin’ny fanovana, saingy na ny Praiminisitra aza hatreto tsy mbola voatendry nefa heverina fa hanatanteraka ireo fanamby napetrany tamin’ny vahoaka. Efa tena mijaly ny vahoaka nandritra ny 5 taona, hoy ity mpandinika fiarahamonina ity ka maika ny fananganana ny Governemanta mba hifantoka amin’ny fampandrosoana amin’izay fa mila vahaolana maika ny fanarenana an’i Madagasikara, ny famerenana ny fandriampahalemana hahafahan’ny vahoaka miaina sy mamokatra. Ho an’Atoa Andriamampianina dia tokony hohajaina hatrany ny fifandanjam-paritra amin’ny fanendrena ny Praiminisitra hisorohana ny adilahy politika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.