Actualités

Ataovy mazava tsara fotsiny e !


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2016

Tsy mety mazava amin’ny mpanjifa hatreto ny fiakaran’ny vidin-jiro sy rano kanefa mbola misy ihany ny delestazy.

Nanomboka ny herinandro teo aza dia niverina indray ny fahatapahan-drano maharitra ho an’ny faritra maro eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Efa tsy resahana intsony ny fahasahiranan’ny mpanjifa any amin’ny faritra. Mahita ambara foana ny Jirama. Rehefa fahavaratra dia noho ny toetr’andro sy ny tselatra ary ny kotroka no mahatapaka ny jiro. Rehefa ririnina dia ambara fa tsy ampy ny tosiky ny rano, amin’ny vanim-potoana hafa dia na misy olana ny famatsiana solika noho ny trosa tsy voaloa na misy olana ara-teknika tsotra izao noho ny fahanteran’ny fitaovana. Efa fantatra ireo, tsy mila averimberina mameno gazety sy alefa mankarenin-tsofina amin’ny haino aman-jery. Ny vahaolana iatrehana an’ireo no andrasana. Izay no ilana mpitantana sy mpitarika fa tsy hoe miala tsiny sy miala bala isaky ny mihetsika. Sarotra be ve ny manambara ny tena marina dia mifanaraka mazava tsara e ? Tsy adala anie ny mpanjifa ka sanatria hila vaniny rehefa hita fa misy tokoa ny olana goavana e ! Ataovy mazava tsara fotsiny fa aza mampiesona. Tsy ny fisian’ny olana no inona fa ny tsy fahaizan’ny mpitantana mikaroka vahaolana. Rehefa tsy mahita vahaolana dia manaja tena miala fa tsy be kabary isaky ny mihetsika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT