Taorian’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Beriziky Jean Omer dia ny filohan’ny CENIT Rtoa Atallah Béatrice indray no niharan’ny fanakianana mavaivay avy amin’ny onjampeon’ny filohan’ny tetezamita, ny Viva Radio. Masiaka, henjana ny tenin’izy mirahalahy, Ramaholimasy Pierre Holder sy Maurice Tsiavonana, mpanentana ny fandaharana omaly antoandro.
Nambaran’izy ireo fa tsy azo itokisana intsony ny filohan’ny CENI-T satria mandohalika amin’ny sehatra iraisam-pirenena (hono). Nolazain’izy ireo fa Rtoa Fatma Samoura, mpandrindra ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana eto, no tena filohan’ny CENI-T eto Madagasikara fa tsy i Atallah Béatrice. Ity farany moa dia tena nambaran’izy roalahy ireo mihitsy fa tsy mahay ny asany ka tokony hametra-pialana, ary namitaka ny vahoaka Malagasy noho ny fampanantenana nataony nanomboka tamin’ny 2012 fa hoe tsy maintsy atao ny fifidianana.
Mamalan-kira
Samy nahatsikaritra ny mpanara-baovao fa taorian’ny tsy nanekena ilay soso-kevitr’i Andry Rajoelina amin’ny hanatanterahana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka, no nitrangan’izao rehetra izao. Maro no mihevitra fa raha nekena iny soso-kevitr’i Andry Rajoelina iny dia nitoraka voninkazo sy nandokadoka ny CENI-T sy ny filohany isaky ny antoandro angamba ireto mpanao gazety manohana ny filohan’ny tetezamita ireto. Mahagaga ihany ny fomba fijery tahaka izany satria efa mazava tsara anie ny voasoratra ao anatin’ny tondrozotra izay neken’i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa miaraka miasa akaiky amin’ny CENI-T ny Firenena Mikambana amin’ny famoahana ny famolavolana sy datim-pifidianana, ary tsy maintsy fifidianana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no atao eto e !
Ny sehatra iraisam-pirenena no handoa ny ampahany betsaka amin’ny tetibola ampiasaina hanaovana fifidianana mandritra ny tetezamita, izay no voasoratra ary efa neken’ny rehetra. Tsy ny CENI-T no namorona izany fa ny mpanao politika sy ny mpitondra tao anatin’ny tetezamita no nahita io marimaritra iraisana io. Tsy misy zavatra mandeha mora foana sy atao amin’izay itiavana azy izany, fa na ny fahaleovantena aza dia tsy maintsy misy takalony, fa arakaraka ny fomba fijerin’ny tsirairay azy fotsiny io. Tena mahatalanjona fa ny fitaovan-tserasera akaikin’ny filohan’ny tetezamita, noheverina fa ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka indray, no mamalan-kira ka mamboly savorovoro any anatin’ny sain’ny olom-pirenena, amin’ny alalan’ny fanakianana ny rafitra hikarakara ny fifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.