Any Kinshasa renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny filohan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENIT) Atallah Béatrice. Voaasa handray anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenen’ireo vehivavy avy amin’ny firenena miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay izay atao ny 03 sy 04 martsa izy. Ny vaomiera miresaka ny “vehivavy sy ny fahefana” no andraisany anjara sy izarany traikefa miainga amin’ny dingana vitan’ny CENI-T, ankoatra ny fampirisihana ny fampianarana ny ankizivavy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.