Actualités

Association des Paramedicaux de Madagascar Hanangana trano ho azy ireo manokana


  • Talata 21 Jona 2016

Hanangana trano ho azy ireo manokana ny fikambanan’ny paramed eto amintsika ivondronan’ireo mpampivelona sy mpitsabo mpanampy.

Etsy Ambohimiandra akaikin’ny hopitalin’ny zaza no hananganana ny fotodrafitrasa. Raha araka ny fanazavan’Andriantsoavina Onja Harilala, filohan’ny komity fanorenana dia amin’ity volana jona ity no hanaovana ny ady fototra. Tanjona amin’ny fananganana izao fotodrafitrasa izao ny mba hananan’ny fikambanana birao manokana ho an’ny “Ordre des infirmiers” sy ny “Ordre des sages femmes”, toraka izay ihany koa ny sendika isanisany. Ankoatra ireo dia havadiky ny fikambanana ho fidiram-bola ho azy ireo ihany koa ny fisian’ny trano malalaka azo handraisana lanonana miampy ireo trano natokana handraisana paramed manao asa sosialy na voairaka hamita asa eto Antananarivo Renivohitra ho fanalana fahasahiranana azy ireo. Marihina moa fa efa misy ny vola hanatanterahana ny asa saingy mbola hitadiavana fanampiana avy amin’ny malala-tanana sy ny fanjakana kosa ny fampitaovana ny ao anatiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT