Actualités

Assanati Famo Gidraka « Tsy manohana izay voasaringotra amin’ny raharaha politika aho »


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2022

Nanamafy Rtoa Assanati Famo Gidraka, filoha mpanorina ny fikambanana Werawera tsy maintsy mandeha omaly fa tsy manao politika velively ny tenany ary tsy manohana izay voasaringotra

amin'ny raharaha politika. Raha nanao Publication mahakasika an'i Atoa Mahery Lanto Manadafy na Malama ny tenako hoy izy dia amin'ny maha namako azy fotsiny no antony noho ny fahavoazana mahazo azy . Izany indrindra hoy izy no antony hamerenako izao fanazavana izao satria izaho sy ny olona tarihiko dia tsy manao politika ary hanatsahatra ny resaka momba an’i Malama aloha hatreto. Nomarihiny araka izany fa tsy ho tompon'andraikitra amin’ izay zavatra mety hiseho ny tenany sy ny fikambanana Werawera tsy maintsy mandeha izay tarihiny. Ajanony araka izany ny fizarana vola mahakasika an’i Malama, fa ny finamanana kosa dia mipetraka eny foana. Ankoatra izay dia nanambara Rtoa Assanati fa mitohy ny fizarana ilay tosika PPN ho an’ireo namana mpiwerawera rehetra, satria tsy misy manana ny ampy hoy izy fa sambatra izay mifanampy ary ny Werawera tsy maintsy mandeha hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Mijanona ho naman’i Malama aho , hoy i Assanati Famo Gidraka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT