Actualités

Assanati Famo Gidraka Manameloka ny fifofoana ain’olona sy ny fanaovana herisetra


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Raharaha anisan’ny mbola mitana ny sain’ny maro eto amintsika ilay tranga niseho ny faran’ny herinandro teo nihatra tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina.

Nambaran-dRtoa Assanati Famo Gidraka fa tena mifanohitra tanteraka amin’ny soa toavina maha-Malagasy ireny tranga ireny. Tsy azo ekena hoy izy ny herisetra, na inona na inona tsy fitovian-kevitra misy. Manameloka tanteraka ny fifofoana aina sy ny fampiasàna herisetra ny tenako, na iza na iza no hiharan'izany. Tsy hananam-piry mantsy ny aina fa tokana hoy hatrany ity filoham-boninahitry ny fikambanana Assanati Famo Gidraka ity. Mankahery ny Ben'ny Tananan'Antananarivo araka izany ny tenany no sady miarahaba azy tsy maty fo aman'aina. Ankoatra izay dia tsy manadino ny mpiray tanindrazana Rtoa Assanati amin’ny fanatanterahana ireo hetsika ara-tsosialy maro samihafa, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Toerana maro no fantatra fa hanaovany izany toy ny eto Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Ambatondrazaka ary Antsirabe. Na izany aza dia mitohy ny asa soa sy ny asa sosialy tosika PPN ho an’ireo mpanao gazety, mpanankato, indrindra fa ireo mpankafy sy ny Mpiwerawera. Ny mba hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano no tanjona amin’izany. Teny filamatry ny fikambanana hatrany moa ny hoe : Antsika Jiaby Toujours Assanati Famo Gidraka ary Werawera tsy maintsy mandeha.
Pati
Legende : Tsy azo ekena ny fanaovana herisetra hoy, Rtoa Assanati Famo Gidraka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT