Actualités

Asaramanitry ny 26 jona Tsy manadino ireo niangaran’ny vintana ny Airtel


  • Sabotsy 18 Jona 2016

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy nanadino ny nijery manokana ireo niangaran’ny vintana ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar amin’izao ankatoky ny fetin’ny 26 jona izao.

Tetsy amin’ny fokontany Ankazomanga no nisantarany izany omaly ka nanolorany bodofotsy mafana sy kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro toy ny sira, ny siramamy, ny menaka ho an’ireo fianakaviana tena sahirana ara-pivelomana. Olona an-jatony no nahazo tombony tamin’izany, hetsika izay mbola hitohy any amin’ny faritra maro. Tonga nitarika ireo delegasiona ny tale jeneralin’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar Maixent Bekangba notronin’ireo mpiara-miasa taminy. Nambarany fa fotoana hahafahana mizara ny mamy sy ny tsara ho an’ny mpiara-belona ny vanim-potoana tahaka izao hahafahan’ny rehetra manao fety sambatra. Mbola hitohy any Toamasina, Toliara ary Antsirabe ny hetsika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT