Asan-dahalo - Toliara II

> Mihorohoro hatramin’ireo Sinoa manamboatra barazy ao Andoharano


  • Alarobia 14 Aogositra 2013

Mirongatra toa tsy misy fanafany intsony ny asan-dahalo any amin’ny Distrikn’i Toliara II, faritra Atsimo Andrefana.

Nitrangana halatra omby narahina tifitra variraraka indray ny tanànan’Ankadibarika, Kaominina Marofoty afak’omaly alina. Tsy nifandrenesana ny poa-basy, hoy ny fampitam-baovaon’ny Ben’ny tanàna. Fa tao amin’ny Kaominina Tsianisiha kosa dia omby sarety efatra no lasan’ny malaso. Taorian’ny fanaraha-dia dia latsaka ny roa tamin’ireo omby. Trangana halatra omby niisa folo izao no nisy tamin’ity volana aogositra ity.  Mirohoroho tanteraka ny vahoaka any amin’ity distrika saro-dàlana ity satria tsy vitan’ny mangalatra omby sy mandroba ary manolana fotsiny ireo dahalo fa mamono avy hatrany izay manohitra azy. Na hatramin’ireo Sinoa manamboatra ny tohodranon’Andoharano aza dia mihorohoro sy miaina ao anaty tebiteby tanteraka amin’izao. Hatramin’ny fitaovana sy entanan’izy ireo mantsy dia angalarin’ireo dahalo. Kizo koa moa iny toerana iny ka tsy misy sahy manara-dia hatramin’ireo manam-basy sy milaza azy ho «professionnel».

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT