Actualités

Asam-panjakana Mpiasa matoatoa 330 indray no tratra


  • Talata 05 Aprily 2022

Raha ny tatitry ny gazety boky mivoaka isan-kerinandro eo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola dia nisy mpiasam-panjakana matoatoa 330 indray no tra-tehaka.

Tapaka avy hatrany karaman’izy ireo ary nahavitana tahiry mitentina 3,8 miliara ariary ho an’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Voalaza fa miasa ary mahomby tsara ilay rindram-baiko AUGURE 2 izay ampiasaina amin’izao fotoana handaminana sy handrindrana ny tontolon’ny asam-panjakana; manamora ny fanomanana ny tahirim-bola fisotrooan-dronono izy io no sady ahafahana mamadika ireo ECD (mpiasa anaty fotoana voafetra) ho lasa ELD (mpiasa maharitra).Hatreto dia mpiasa ELD vaovao miisa 7198 no voarakitra ao anatin’ny AUGURE 2, ary efa voaloa ara-dalàna ny karaman’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanadiovana ny asam-panjakana izany rehetra izany mba tsy haha very fahatany ny volam-panjakana noho ny fisiana mpiasam-panjakana matoatoa, tsy miasa akory kanefa mandray karama tsy tapaka isam-bolana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT