Actualités

Asam-panjakana Misy administratera sivily bôjo


  • Zoma 17 Jona 2011

«Sarotiny amin’ny fidirana ho administratera sivily amin’ny fomba tsy ara-dalŕna ataon’ny sasany nefa eken’ireo tompon’andraikitra izahay. Nahita didim-pitondrana nampiditra olona tsy nanaraka ny fepetra izahay».

Ny filohan’ny Sendikan’ireo administratera sivily, Rakotonarivo, no nanao io fanambarana io manoloana ny zavatra tsy ara-dalàna hitan’izy ireo eo anivon’ny asam-panjakana. Raha ny fanazavany dia nisy mpiasam-panjakana tsy nianatra teny amin’ny Enam akory kanefa dia tafiditra ho administratera. Ankoatra ny fifaninanana eny amin’ny Enam dia lalana iray hafa hahazoana miditra ho administratera ny fanaovana fangatahana eny anivon’ny vaomiera antsoina hoe : “Commission Administrative Paritaire” na CAP izay an’ny vondron’asan’ny administratera sivily. Io vaomiera io no mandinika ny antontan-taratasy ka manapaka na tafiditra na tsia.

Araka ny fitarainan’ny sendika àry dia misy olona tafiditra ho administratera sivily kanefa tsy nandalo tamin’ny iray amin’ireo dingana ireo. Manahy ny fisian’ny kolikoly, araka izany, izy ireo. Ny tena manahirana, araka ny fanazavana dia voasonian’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny eny amin’ny tetibola ny didim-pitondrana manendry izany olona izany. Manoloana izay indrindra dia mikasa ny hametraka fitoriana eny anivon’ny Filankevi-panjakana ny sendikan’ireo administratera sivily handravana ny fanendrena ireo olona ireo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT