Actualités

Asam-panjakana Hisy fitsapàna ho an`ireo governora


  • Alarobia 06 Janoary 2021

Fampandrosoana mivaingana sy fidinana eny ifotony no anisan`ireo fepetra

 

 

takiana tamin` ireo tomponandraikitra voatendry eny anivon` ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Samy miroso amin` ny fanaovana tatitra ireo governora amin`izao fotoana izao ary samy miaiky ireo governora fa taonan` ny asa ny taona 2021. “Mirefy 36 km, 100m ny lalana amboarina ao amin` ny faritra Atsimo Andrefana ka hatao tara ny 12 km ary mirefy 13 km, 800m kosa ny rarivato ary 10 km ny lalan-tany. hoy ny governoran` ity faritra ity. Ho an` ny fanatanjahantena dia miisa dimy ny fotodrafitrasa lehibe ka anisan` izany ny kianja Me Kira sy ny kianja mitafo ao Ampanihy sy Toliara. Eo koa ny dobo filomanosana olympika” hoy ny governoran` ny Faritra Atsimo Andrefana raha nitatitra ny vina ho amin` ny taona 2021 ny herinandro lasa teo. Ho an`i Hery Rasoamaromaka, governoran` ny faritra Analamanga, “2021: taonan'ny asa. Na dia mihoatra ny nandrasana ireo zava-bita tamin` ny 2020”. Ny filoham-pirenena dia nanambara ireo vinany ho an`ny taona 2021. Ny fanatanterahana ireo tetikasa hipaka mivantana any amin`ny vahoaka dia mampandray andraikitra goavana an` ireo governora. Mitaky fivoarana mivaingana ary miainga eny ifotony ny Filoham-pirenena. Vina efa nampahafantarina an`ireo governora izany. Ny fampandrosoana no laharampahamena ary efa nomena an`ireto lehiben`ny faritra ireto ny enti-manana mba hahafahan` izy ireo manatanteraka ireo tetikasa. Hisy, araka izany, ny tomban`ezaka hatao amin`ireo governoram-paritra araka ny nambaran` ny Filoha Rajoelina nandritra ny fametrahana ny governora tany amin`ny faritra Matsiatra Ambony ny taona 2020.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT