Miteniteny mihitsy ankehitriny ny vola raha te ho mpiasam-panjakana. Volabe tokoa raha toerana ambonimbony no kendrena.
Fa inona no mahazo ny asam-panjakana eto amintsika ? Tapimaso fotsiny ihany ve ireny sonia ifanaovan’ny ministera sy ny Bianco ireny fa toa tsy mampiova na inona na inona mihitsy ? Tranga iray misarika ny saina ny fiadian-toerana hitantana ivontoerana fanofanana mpiasam-panjakana iray eto an-drenivohitra. Niova sata mantsy izy io satria raha foibem-pitondrana izy taloha dia niova ho foibem-pitantanana ankapobeny indray ankehitriny, ka raha Tale no nitantana tao taloha dia ho lasa Tale jeneraly izany. Kandida roa no fantatra fa «mifaninana» maka ny fon’ny lehibe, mba hotendrena amin’ilay toerana. Eo no miditra ny resa-bola, ary volabe tokoa satria dia mananika ny 10 tapitrisa ariary izany.
Re koa anefa fa miitatra hatrany amin’ny resaka politika ny raharaha ankehitriny ka mahavoatonona antoko mihitsy. Ny iray amin’ireo kandida mantsy dia nentiny resaka politika ny raharaha, ka filohan’antoko sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no antenainy hampiasa izay fahefana eo am-pelatanany hahazoana io toerana maha Tale jeneralin’ilay ivontoeram-panofanana io. Ilay kandida faharoa kosa dia ny lehibe mivantana no nezahiny noresen-dahatra ka iandrandrany ilay toerana. Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy ilay ivontoerana, ary dia manomboka miteraka adihevitra ny fanendrena izay ho mpitantana azy io, indrindra fa raha idiran’ny resaka politika. Raha izay tokoa mantsy no miseho dia mampanahy ihany fa dia idiran’ny politika indray koa izany ny asam-panjakana. Ankoatra izay, raha voatendry ilay nandoa vola, dia ahoana ny tohiny ? Hanonitra izay laniny rehetra tonga eo amin’ny toerana ? Dia amin’ny fomba ahoana ? Arahina akaiky ity toe-draharaha ity !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.