Actualités

Asa tanana Niampy iray ny ivontoeram-piofanana ireo vehivavy sahirana


  • Alakamisy 25 Jolay 2013

Mba hahafahan'ireo Reny sahirana mananontena manatsara ny fidiram-bola eo anivon'ny tokantranony dia niampy iray indray ny ivontoerana hahafahana manofana azy ireny maimaimpoana izay miompana amin'ny resaka asa tanana.

Notokanana omaly tetsy amin'ny CENAM 67 ha ny fotodrafitrasa mifandraika amin'izany vokatry ny fiaraha-miasan'ny ministeran'ny asa tanana sy ny TIKA na ny Agence Turque de Coopération et de Coordination. Fantatra tamin'izany fa efa tamin'ny taona 2009 no nanam-pikasana ny hanokatra ivontoerana hahafahana manofana vehivavy sahirana tahaka izao ny CENAM. Ireo vehivavy mivondrona anaty fikambanana avy amin'ireo fianakaviana tena marefo no hahazo tombontsoa amin'izany manokana ka anisan'ny hanofanana azy ireo ny resaka fandidiana zaitra sy ny fanjairana izany, ny fanamboarana firavaka maderadera (bijoux fantaisie), ary ny resaka randrana. Ny tanjona moa dia ny mba hahafahana manatsara hatrany ny sehatry ny asa tanana eto Madagasikara ankoatra ny fanampiana ireo fianakaviana tena sahirana. Hisokatra ato ho ato moa ity ivontoerana ity raha anisan'ny fitaovana hampiasan'ny mpiofana efa tazana ao kosa ny milina fanjairana sy ireo karazana milina fanamboarana firavaka.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT