Halina, tany Milan-Italia no notolorana ny mari-pankasitrahana ambony indrindra avy amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) satria niavaka sy nahavita be ny “Projet Tsara”.
Fiaraha-miasan’ny Onudi sy ny minisiteran’ny kolontsaina izy ity ary nampisongadinana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy mpanao asa tanana any amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny nosy iny. Tena nisy vokatra azo tsapain-tanana ny tetikasa natao tany Atsimo Atsinanana ka izao nahazo mari-pankasirahana iraisam-pirenena izao. Nisy ny injeniera momba ny asa tanana nanofana ireto vehivavy mpandrary ireto ary efa tafita any amin’izy ireo ny fanaovana asa matihanina, tsara kalitao, voakaly tsara ary manara-penitra. Nihaona tamin’ny minisitry ny kolonsaina Jean Jacques Rabenirina teny amin’ny birao fiasany moa omaly Rtoa Lorence Ansermet solontena maharitry ny Onudi eto amintsika, ka voaresaky ny roa tonta ny hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa sy ny hanohizana ilay “Projet Tsara” ho fanampiana sy fanohanana hatrany ny mpanao asa tanana malagasy.
Nangonin’i RTTTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.