Ho fampiroboroboana sy fanohanana ireo mpanao asa tànana misehatra amin’ny sampam-pamokarana
« kofehin-javamaniry na ny Rary » ao amin’ny Distrika Mitsinjo dia nidina ifotony nijery ny kalitaon’ny vokatr’ireo mpanao asa tànana ireo ny « commission de labélisation » izay nitsangana ny herinandro lasa teo tao aorian’ny atrik’asa niarahan’ny DRICA sy ny ASITY Madagascar ary ny Faritra, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Asa tànana. Ity fidinana ity dia natao ho fanaraha-mason’ny kalitaon’ireo asa tanana izay hisitraka ny marika “Nesty” voalohany, hoy ny fampitam-baovao. Isan’ny manan-karena asa tànana sy taozavatra isika, ary manana ny akora sy ny hoenti-manana amin’izany, ka mila atosika sy ampiana foana hahafahana miroso amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Zavatra tsy azo ihodivirana rahateo ny fihariana miainga amin’ny fampiroboroboana sy famokarana avy ato anatiny ho fanohitra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.