Asa na samy variana amin’ny asa aman-draharaha sy ny fanarahana akaiky ny fizory ny vaovao momba ny fiainam-pirenena, fa dia nangina ilay resaka fanatsarana sy fandaminana tokony ho natao teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety sy ny tontolon’ny haino aman-jery amin’ny ankapobeny.
Natsangana ilay komity momba ny etika, nijoro ihany koa ny sendikan’ny mpanao gazety, efa samy tafaresaka tamin’ny minisitra Harry Laurent Rahajason daholo izy ireo, dia iny efa tafajoro iny ihany koa ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety. Tsy hita anefa amin’izao fotoana izay tohin’ny asa. Tahaka izany ihany koa teo amin’ny resaka haino aman-jery, mbola maro be ny onjampeo sy fahatilavitra mikatona. Tsy fantatra mazava izay zavatra hataon’ny ministera. Misy ve ny taratasy tsy maintsy karakaraina mba tena hanarapenitra izy ireny sa resaka fitaovana ? Mila arindra ve ny eo amin’ny resaka maridrefy ? Efa nisy ve ny fanadihadiana lalina natao tamin’izy io ? Raha eny, inona no fanapahan-kevitra tokony horaisina ?
Manana anjara toerana goavana ao anatin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny anefa, ny asa fanaovan-gazety, indrindra fa amin’izao vanim-potoana tetezamita izao, ka rariny sy hitsiny raha atao mazava tsara ny fitsipi-dalao ary mba samy miezaka manaja sy mampihatra ny lalàna ny tsirairay avy. Sa kosa ve mody fanina ny ministeran’ny serasera, satria metimety amin’ny sasany izao zava-misy izao ? Raha tsorina ny resaka dia fampanantenana sy fanomezan-toky no betsaka, amin’ity fanatsarana sy fanavaozana ny asa fanaovan-gazety ity, fa ny eo ihany no eo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.