Actualités

Asa fanaovan-gazety Nodimandry ny mpanorina ny Basy Vava


  • Alakamisy 05 Mey 2011

Banga iray ny mpanao gazety Malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany ny mpanorina ny gazety Basy Vava, Ramananjato Gabriel.

Nindaosin’ny fahafatesana ny alin’ny talata 03 mey 2011 teo izy, nifanojo indrindra tamin’ny andro natokan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ho an’i Madagasikara manokana dia nanam-pikasana ny hanome voninahitra sy fankasitrahana manokana mpanao gazety zokiolona telo mirahalahy, dia i Max Ratsimandisa, Paul Abraham ary Ramananjato Gabriel ny ministeran’ny serasera amin’ny herinandro ambony io. Hafa anefa ny lahatr’Andriamanitra fa dia nindaosin’ny fahafatesana Ramananjato Gabriel. Mpanao gazety mahitsy, tsy mba miolakolaka amin’ny zavatra teneniny sy soratany ity farany. Hiala eo Mahamasina Atsimo anio antoandro ny nofo mangatsiakany ary entina hihazo an’Antanetikely, Arivonimamo II toerana handevenana azy rahampitso zoma. Mandria am-piadanana zokibe !

Tia Tanindrazana
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT