Actualités

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Ony Rambelo


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Nodimandry omaly talata ny namana mpanao gazety Ony Rambelo , tao amin’ny onjam-peo RDJ no isan'ny tena nahafantarana azy,tamin’ny alalan’ny fandraharana vao maraina rivotra sy fampahalalam-baovao na dia niasa tamina

onjampeo hafa aza izy. Tao amin'ny "Iarivo Radio" no niasany farany. Nitantana ny olondia corporation ahitana site web telo : délire madagascar, journal madagascar, canalnews madagascar ary gazety an-tsoratra Marikoditra sy sékré Détà ihany koa i Ony Rambelo.Anisan’ireo nanangana ny gazety Valosoa ihany ko aizy ary tonian-dahatsoratra voalohany tao.Olon’ny asa ary tena miasa i Rambelo, be hanihany mahitsy fitenenana ary tsy misorona milaza izay ao an-tsainy.Nanana ny fombany manokana nanehoan-kevitra sy hampitam-baovao izy ary tsy nisalasala ihany koa nizara sy nanampy ny hafa.Avy nodidiana tao amin’ny lohany i Ony Rambelo ny volana aprily lasa teo, taorian’ny tsy fahasalamana efa nahazo azy ftoana elaela ihany. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Gazety TiaTanindrazana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT