Actualités

Asa fanaovan-gazety Mitaky fenitra sy kalitao


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Miroborobo fatratra ny tontolon’ny haino aman-jery eto amintsika. Betsaka ireo tanora liana amin’izany saingy mitaky fenitra ara-kalitao sy ara-pitaovana izany indrindra manoloana ny fandrosoan’ny teknolojia any ivelany.

Manampy trotraka izany fivoaran’ny tontolo haino aman-jery sy ny asa fanaovan-gazety ary ny tontolon’ny sary mihetsika eto Madagasikara. Ankavitsiana anefa ireo sekoly ambony manofana tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny matihanina ao anatin’ireo voatanisa etsy ambony ireo. Izany indrindra no antom-pisian’ny Scoop institute tarihin’ny filoha tale jeneraliny Razafimandimby Mamitiana. Mijoro eto amintsika amim-pomba ofisialy ny sekoly ary mampianatra manontolo ny fianarana ny asa fanaovan-gazety, ny fikirakirana ny latabatra ravahin’ny bokotra maro hafitsoka na ny teknisiana,….Tsy hanavahana na ho an’ireo teknisiana sy mpanao gazety am-perin’asa aza fa mandray hatrany ny sekoly. Toraka izany koa ireo maniry ho lasa mpaka sary matihanina….Fampiharana avy hatrany ny 80%-n’ny fampianarana omena ireo mpianatra raha araka ny fanazavana azo raha 20 % kosa ny teoria. Afaka miasa avy hatrany araka izany ireo mpianatra mahavita fianarana eo anivon’ny sekoly ambony Scoop institute, tanjona napetraky ny filoha tale jeneralin’ny sekoly . Amin’ny 12 Oktobra ho avy izao no handray mpianatra ny sekoly amin’ity taona 2022 ity.
Pati
Legende : Razafimandimby Mamitiana nampahafantatra ireo fitaovana hampiasan’ny sekoly tantanany hanofanana mpanao gazety matihanina 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT