Actualités

Asa fanaovan-gazety 40 mianadahy manaraka fiofanana


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Taorian’ny fihatoana am-bolana maro, noho ny krizy ara-pahasalamana vokatry ny Coronavirus,

 

 

nitohy ary niverina nanomboka omaly ny fampivondronana faharoa amin’ny fampiofanana matihanina ho an’ireo mpanao gazety 40 mianadahy mandray anjara amin’izany, hoy ny Ministeran’ny serasera. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity fanampiana tosika ny mpanao gazety manerana ny nosy amin’ny alalan’io fampiofanana io. Tanjona kendrena ny hanamafy orina sy hampiakatra ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety tsy an-kanavaka. Nambara fa mifantoka amin’ny teknikan’ny asa fanaovan-gazety, ny fitrandrahana sy fikaroham-baovao ary ny etika sy ny deontolojian’ny asa no hisongadina mandritra ity fampivondronana faharoa ity. Hahazo tombony ihany koa ireo mpanao gazety mandray anjara amin’ny fiofanana, amin’ny fampahafantarana azy ireo ny lohahevitra mifandraika amin’ny raharaham-pitsarana, ny fikirakirana ny vaovao momba ny ankizy, sy ireo lohahevitra hafa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana. Mizara roa ireto mpiofana ireto ka ny andiany voalohany hahazo ny "Certificat d'aptitude au métier du journaliste" ary ny andiany faharoa hahazo ny " Certificat spécialisé en Journalisme". Haharitra enim-bolana ny andininy voalohany ary 10 volana ny andininy faharoa amin'ny fampiofanana.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT