Teratany Malagasy iray no namoy ny ainy nandritra ny asa fampihorohoroana nitranga tany Nice ny alin’ny alakamisy14 jolay teo. Renim-pianakaviana iray 31 antsoina hoe Razafitrimo Mino no nindaosin'ny fahafatesana rehefa tsy nahatohitra ny ratra mafy nahazo azy.
Namela kamboty 6 taona sy 3 taona ity teratany Malagasy nila ravinahitra tany Nice ity. Mbola andrasana ny ho tohin’ny vaovao mahakasika ity mpiray tanindrazana amintsika ity amin’izao fotoana izao. Mbola misy teratany malagasy iray sy ny zanany 6 taona mbola handalo fandidiana eo amin’ny loha. 85 ny olona maty noho ity tranga mampalahelo tany Nice Frantsa ity ary mbola misy olona 52 naratra mafy mandalo fitsaboana sy fandraisana an-tanana manokana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.