Actualités

Asa fampihorohoroana tany Etazonia 50 no maty, 53 naratra mafy


  • Alatsinainy 13 Jona 2016

Zava-doza indray no nitranga tany Etazonia ny sabotsy alina teo. 50 no maty, 53 no naratra mafy vokatry ny fitifirana nitranga tao amin’ny “Pulse Club” trano fandihizana iray tany Orlando.

Tsy baomba na zavatra hafa no nipoaka fa tena tifitra variraraka, araka ny fanazavan’ireo vavolombelona nanatri-maso sy ny resaky ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Trano fandihizana voatokana ho an’ireo lahy samy lahy mifanambady ity lasibatra ity. Ny fanadihadiana savaranonando natao omaly no nahafantarana fa i Omar S Mateen, mponina ao Floride no nahavita izao vono olona mahatsiravina izao ary voalaza fa niantso polisy izy fotoana fohy mialoha ny nitifirany ary nilaza fa miara-dia amin’ny vondrona mpampihorohoro islamika. Nanamafy ny vadiny teo aloha fa lehilahy mahery setra ary tsy dia salama saina firy i Omar S Mateen. Avy any Afghanistan moa ny ray aman-drenin’ity lehilahy nitifitra ity. Io no fitifirana nahafatesana olona maro indrindra teo amin’ny tantaran’i Etazonia hatramin’izay. Maty voatifitry ny polisy avy hatrany moa i Omar S Mateen taorian’ny famonoan’olona nataony. Asa fampihorohoroana miendrika fanafihana an’i Etazonia ary mifangaro fankahalana izao nitranga tany Orlando izao, hoy ny filoha Amerikanina Barack Obama, Atoa Donald Trump kandida repoblikanina amin’ny fifidianana filoha kosa dia nilaza fa voaporofo izao ny ahiahiny sy ny nambarany fa zava-doza ho an’i Etazonia ny fidiran’ny Silamo any an-toerana.RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT