Actualités

Asa fampihorohoroana eto amintsika Tsy misy atahorana, hoy ny pasitera Mailhol


  • Alakamisy 04 Aogositra 2016

Manoloana ny fanontaniana mipetraka mikasika ny firoboroboan’ireo antokom-pivavahana eto amintsika amin’ny trangan’asa fampihorohoroana niseho tato ho ato dia nilaza ny pasitera Mailhol izay hankalaza ny faha-20 taona niorenan’ny

fiangonana Apokalipsy etsy amin’ny coliseum Antsonjombe ny 13 aogositra izao fa vao mainka hihamafy ny asa fampihorohoroana raha foanana ireo fiangonana. Any amin’ireny antokom-pivavahana ireny, hoy izy, dia tsy maintsy misy foana ny olona miova fo ary afaka mampihena ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Mampihena ny asa fampihorohoroana ny fisian’ny fiangonana ka dia heveriny fa efa vahaolana sahady ny fisian’izy ireny. Nentiny namarana ny teniny ny filazana fa tsy mbola hatahorana hisy ny asa fampihorohoroana eto satria tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny firenen-kafa isika. Ny tsindrihazolena ataon’ireo firenen-dehibe amin’ny firenena madinika, raha ny heviny, no antony mampamaly faty iretsy farany amin’ny alalan’ny asa fampihorohoroana.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT