Actualités

Asa fampihavanana Maka tsy taitra ny FFKM


  • Alatsinainy 11 Jona 2012

Raha nanantena fanambarana miezinezina avy amin’ny FFKM sy fandrindrana asa mazava ho amin’ny asa fampihavanana izay hatao ny maro, dia tsy mbola izay aloha no nitranga nandritra ny vavaka tao amin’ny EKAR Ambatonilita nananasany ny rehetra omaly.

Maka tsy taitra ny FFKM. Manana dingana tsy maintsy arahina ny FFKM eo amin’ny fanelanelanana atao, hoy ny Pastora Dr Rakoto Endor Modeste filoha am-perinasan’ity rafitra ity omaly teny Ambatonilita. Nahavita ny asany ny SEFIP (Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena), hoy izy dia miditra eo amin’ny foibe ny dingana izao. Miditra ny filoham-piangonana dia izy ireo no mahita hoe : tapaka avy hatrany na mbola hiresaka amin’ny birao foibe sy ny SEFIP indray. Vita izay vao manan-kolazaina izahay. Nitovy tsy nisy valaka ny hevitra nampitain’ity filoham-piangonana efa-tonta ity na tao anatin’ny sakafom-panahy nentiny tao amin’ny toriteny ka hatrany amin’ny hafatra farany nialoha ny tso-drano.

Niompana indrindra tamin’ny fihavanana amin’Andriamanitra miainga eo amin’ny fandraisana an’i Kristy mivantana no fototra, hoy izy, raha atao bango tokana ka raiso ny fihavanan’ny firotsahan’ny Fanahy. Famoaboasana ny teny nanompanana ny fotoam-pivavahana notsongaina tao amin’ny 2Kor 5-21 izany manao hoe “koa dia naka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanintra mangataka anay aminareo solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra ianareo”.

Mpanao politika maro no tonga namaly ny antson’ny FFKM teny Isoraka omaly ka singanina amin’ireny ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita, ny Pr Zafy Albert, Pr Ange Andrianarisoa, Pr Rajaonarivelo Paul, ireo mpitondra fivavahana samihafa, vahoaka tsotra mpitolona na tsia. Ny filohan’ny fiangonana Anglikanina Mgr Ranarivelo Samoela Jaona no nitarika ny fotoana, nitoriteny sy nitondra ny hafatra ny Pastora Dr Rakoto Endor. Efa taorian’ny rakitra sy nialoha kelin’ny hafatra sy tso-drano vao tonga ny filohan’ny Fjkm Atoa Lala Haja Rasendrahasina. Tsy eto Madagasikara ny filohan’ny EKAR, Mgr Odon Razanakolona, ka natolony hisolotena azy kosa ny Rév. Père Rakotonandrasana Berkmans.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT