Asa atsy Maorisy

> Tanora 170 miandry vasoka


  • Alakamisy 05 Septambra 2013

Malaza sady mahazo vahana ankehitriny ny fiondranan’ny tanora Malagasy mitady asa any ivelany. Misy moa ireo firenena voarara ny fandefasana mpiasa any aminy noho ny fampijaliana mahazo ireo Malagasy sasany any an-toerana, anisan’ireny i Liban.

Malalaka kosa ny fandehanana miasa any Maorisy, Seychelles, Canada izay tsy mbola nahenoana fitarainana hatreto. Misy tanora 170 mianadahy miomana hiasa amin’ny sehatry ny fikarakarana trondro atsy Maorisy hatramin’ny volana janoary fa tsy mbola lasa hatramin’izao. Nakan’ilay ramatoa, tomponandraikitry ny “Agence” 3 hetsy Ariary isan’olona izy ireo hikarakarana ny pasipaoro, hanaovana fizaham-pahasalamana ary koa ny “enquête de moralité”. Vita avokoa ireo rehetra ireo saingy manomboka miahiahy ireto tanora ireto satria mihemotra lava ny dia. Raha atambatra ny vola azon’ilay “Agence” avy amin’izy 170 mianadahy dia efa mahatratra 51 tapitrisa Ariary. Araka ny fanazavan’ny iray amin’ireo tanora dia omen’ilay ramatoa fotoana eo anoloan’ny Ministeran’ny Atitany izy ireo isan’andro. Milaza ho mpiasan’ny ity Ministera ity rahateo izy ankoatra ny maha tompon’ilay “Agence” azy. Ilay fanomezana fotoana any amin’ny biraom-panjakana fa tsy any amin’ny biraon’ilay “Agence” mihitsy no mampametra-panontaniana ny tanora sasany mikasa hanao ilay asa ao Maorisy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT