Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry ny alin’ny sabotsy 27 aogositra lasa teo i Razafimandimby Jean Claude izay fantatra amin’ny solonanarana Stéphane Jacob, lehiben’ny fanoratana eo anivon’ny orinasa Midi Madagasikara.
Niavaka teo amin’ny asa fanaovan-gazety izy, indrindra fa amin’ny gazety an-tsoratra, noho ny fahafehezany ny asany. Anisan’ny mahafinaritra azy ny mizara ny traikefany amin’ny tanora, ary izay antony izay rahateo no nandrisika azy hampianatra teny anivon’ny oniversite Ankatso, amin’ny sampana serasera sy fanaovan-gazety ary koa teo anivon’ny Samis-Esic, Saint Michel Amparibe.
Voatery najanony ireo noho ny aretina izay nitaiza azy. Tamin’ny fahatanorany dia fantatra tamin’ny tontolon’ny haiady i Stéphane Jacob. Mpandalina sy mpanao karaté ny tenany ary samy nahatadidy ny fahaizany an’izany ireo «génération» niaraka taminy. Izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviany.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.