Tsy nahazo rariny, hoy ny mpitsara iraisampirenena teo aloha, Arlette Ramaroson, ny firenena Dubaioty,
mikasika ny raharaha volamena 73,5 kilao. Fara faha ratsiny hoe ny 3 kilao ihany no azy ireo. Lojika ny fanapahan-kevitra satria tsy nitondra porofo sy fanazavana ireo avy any Dobay ireo hoe azy tokoa ilay volamena ary nanao ahoana ny diany nankao Toliara ho any Afrika atsimo. Maromaro moa no efa nigadra satria hoe voarohirohy ho tafiditra anatin’ity raharaha ity. Mila porofoina voalohany aloha hoe avy aiza io volamena io? Nisy feo nandeha nilaza fa avy ao amin’ny banky foibe no nivoahany saingy tsy voaporofo. Ho ahy manokana, hoy hatrany ity mpitsara ity, dia ireo olona miisa 3 voatazona any Afrika atsimo ihany no tokony hahalala ny fahamarinana rehetra. Raha tsy voaporofo izany dia avoahay ireo nosamborina rehetra. Raha tena tiana ny ahita fahamarinana dia avelao ny afrikanina tatsimo no hisahana ny raharaha ary tsy tokony hisy ny “extradition” na famerenana eto ireo olona miisa 3 ireo, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.