Actualités

Arivonimamo Voasambotra ilay mpisoloky fa mahatafavoaka voafonja


  • Zoma 02 Jolay 2021

Lehilahy iray 43 taona milaza ho mahavita mamoaka olona ao amin’ny fonjaben'Arivonimamo no tratra rehefa ela nisolokiana tamin’olona raha araka ny vaovao azo

. Manatona ireny fianakavian'ny voafonja ireny izy ary miresaka momba izany. Fianakaviana iray no tratran’ny vela-pandrika nataony ka nangalany vola 6 600 000 Ar. Nambarany fa entiny mandroso ny fotoam-pitsarana sy hahafahany manafaka ilay voafonja io lelavola io. Rehefa tena nandeha anefa ny fotoana dia nilaza izy fa nihemotra hatrany ny fotoam-pitsarana no sady tsy ampy ilay vola ka mila manampy kely ilay fianakaviana manana olana. Nomen’ny fianakaviana fotoana araka izany ity lehilahy ity mba haka ilay vola ka tra-tehaka soa aman-tsara, tranga niseho teo imason’ny polisy. Rehefa vita ny fanadihadiana mahakasika ity farany dia naiditra am-ponja vonjimaika izy.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT