Actualités

Arivonimamo Olona 8 naiditra hopitaly noho ny sakafo nohanina


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo. Fianakaviana iray no fantatra fa lasibatr’izany vokatry ny fikarakarana sakafo tao an-tokantrano toy ny mayonnaise,

ny atody, ny sardine….Olona 8 no voatery naiditra hopitaly noho izany ka maromaro tamin’ireo no zaza amam-behivavy . Raha araka ny vaovao azo dia tsy misy atahorana ny ain’izy ireo na dia mbola reraka aza ny fahitana azy. Efa tonga tany an-toerana nanao ny fanadihadiana moa ny mpitandro filaminana sy ny solontena avy amin'ny kaominina. Marihina moa fa tokony hitandrina hatrany ny rehetra amin’ny fikarakarana sakafo tahaka izao eny fa na dia ao an-tokantrano aza hisorohana ny voina mety hitranga. Tokony menaka ara-pahasalamana fa tsy efa nanendasan-javatra im-betsaka ohatra no hampiasaina. Tokony ho atody akoho ihany koa fa tsy atodim-borona no hatao maionezy….
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT