Actualités

Arivonimamo Nohafahan’ny fitsarana ilay nambara fa mpanolana zaza


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Nanohana ny fon’ny maro tokoa ny zava-tranga tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny omaly talata. Lehilahy iray voalaza fa nanolana zazavavy kely iray 13 taona mbola madio mantsy no nohafahan’ny fitsarana ao Miarinarivo

madiodio na dia efa nitondra porofo mazava aza ireo Ray aman-dReniny. Certificat médical avy any amin’ny dokotera mihitsy no nentin’ireto farany hoy ny vaovao izay nanamarina fa simba tanteraka ny fahadiovan’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Ankoatra izay hoy ny vaovao dia mbola nandrahona indray ilay mpanolana fa mbola hasesiny hanamparany ny filan-dratsiny avokoa, hono, ny zandrin’ity zazavavy kely iray efa lasibatra ity. Manao antso avo amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, ireo fikambanana miaro ny zon’ny ankizy, …. araka izany ny Ray aman-dRenin’ity zazavavy kely lasibatra ity mba hijery akaiky izao zava-misy ao amin’ny fitsarana ao Miarinarivo ao izao. Mbola hiriaria sy hirehareha hatrany mantsy ireo tsy maty manota raha avela hanjaka tahaka izao ny mpanao ratsy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT