Actualités

Arivonimamo – Manalalondo Manomboka ny fanamboaran-dalana


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Manomboka ny fanamboarana ny lalana RIP 84 mampitohy ny Kaominina

 

Arivonimamo (PK45+800 RN1BIS) sy ny kaominina Manalalondo. Lalana mirefy 38 km no hamboarina. kaominina telo no lalovan'ity làlana ity, Amboanana Pk16, Alakamisikely PK25, miafara eo Manalalondo PK38. Marihana fa rehefa main-tany dia handaniana adiny dimy noho ny lalàn-dratsy ny mampifandray an` I Manalalondo sy Arivonimamo. Rehefa fahavaratra dia iray andro manijitra mihitsy no hanaovana izany. Ireny fiara tsy mataho-dalana ireny no ankamaroan` ireo fiara mpitatitra izay miainga etsy amin`ny toby fiantsoanana Anosizato Andrefana. Afa-pahoriana ny mponina any amin` ireo kaominina ireo noho ity fanamboaran-dalana ity. Fitrongisana sy fanamarinana ny arabe (Travaux de terrassement) no tena asa hatao amin’ny ankapobeny. Misy ihany ny ampahan-dalana ho atao rary vato amin’ireo toerana tena simba sy dibo-drano matetika toy ny eo Anonibe, izay tena mampijaly rehefa avy orana. Fantatra fa 90 andro no ho faharetan’ny asa izay hifarana amin’ny volana Febroary 2021.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT